Webradio

ANOSY : Tovovavy iray 17 taona naolan’ny lehilahy dimy tany amina hotely lehibe anankiray

Tovovavy kely vao 17 taona monja no voaolana tany amina hotely lehibe anankiray, omaly hariva. 7 septembre 2017

Araka ny vaovao voaray dia tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook no nahitany io olona nanolana azy io ary resaka asa hanao hotesse no niantsoan’ilay olona azy.
Teo Anosy ny fotoana nifanomezan’izy ireo hakana ilay vehivavy fa somary mivoaka ny tanàna ilay toerana.

Akory ny hagagan’ity tovovavy raha nijanona teny an-dalana ilay fiara satria dia andian-dehilahy dimy be izao no efa niandry azy ka namiravira azy teo. Rehefa nahavita ny nataony ireto tsy mataho-tody dia navelan’izy ireo teo ity tovovavy ity. Olona sendra nandalo no niantra azy ka nanatitra azy tany an-tranony.

Tsy fantatra izay ho tohin’ny raharaha satria dia tsy manaiky ny hanoro izay nahavanon-doza taminy amin’ireo ray aman-dreniny ity zazavavy ity ary tsy manaiky ny hametraka fitoriana ihany koa.


Heritiana.D

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés