Rehefa nohadihadiana ilay tovolahy nitondra akoho andro maraina be io, dia nilaza fa handeha hanao fety tsingerin-taona nahaterahana. Nohadihadiana fanindroany, dia nilaza indray fa handeha hanao arozazy mpianatra afa-panadinana bakalorea.
Tsy nahafa-po ireo mpiambina alina io valim-panontaniana io ka nentin’izy ireo teny amin’ny biraom-pokontany misy ny sefo fokontany Andranomadio 11/43 ilay tovolahy voasambotra. Maro ireo nahalala azy tao. I Telesphore io voasambotry ny andrimasom-pokolona io. Jiolahy ikoizana amin’ny vaky trano sy fanafihana ary efa matetika migadra saingy manohy asa ratsy hatrany rehefa mahavita sazy. Naterin’ny andrimasom-pokonolona teny amin’ny zandary avy hatrany ny tenany.
Nandritra ny fanadihadiana natao azy, dia nanondro ny namany mpiara-mamaky trano sy miara-manafika aminy i Telesphore. Ity mpiara-manao asa ratsy aminy ity izay tsy iza fa rahalahiny ihany. Tratra tamin’ity farany ireo basy fampiasa amin’ny fanafihana. Basim-borona iray miaraka amina bala maromaro sy basy poleta vita gasy iray.
Marihina fa ekipan’i Gae sy Ralava jiolahy nikoizana nipetraka tao Andranomadio Toamasina mpanao fanafihana mitam-piadiana i Telesphore.
I Gae sy Ralava izay efa maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny volana septambra 2013.
Kamy