Webradio

MAHAJANGA : Noapangain’ny patalohany ilay jiolahy namaky tranon’ny Prefet

Ny zoma tamin’ny 2 ora maraina teo no nidiran’ny jiolahy ny maison verte eny amin’ny La Corniche, tranon’ny prefet izay solotenam-panjakana voalohany eto Mahajanga. 12 septembre 2017

Tsy manana mpitandro filaminana miambina ny tranony ity olom-panjakana ity fa dia mpiambina tsotra toy ny an’ny rehetra no mba miambina ny tranony. Tsy ela anefa fa ny marainan’io ihany dia efa voasambotra ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny halatra. Natory ny tompon-trano ka tsy nisy zavatra henony.

Ny maraina nifoha vao nahatsikaritra ny zava-nisy ny tompontrano ary niantso ny mpitandro filaminana. Lasa avokoa ny entana lafo vidy tao amin’ny trano fandraisam-bahiny toy ny fahitalavitra, ny lecteur sy décodeur sy ny maro hafa, ary nisy ihany koa antotan-taratasy vitsivitsy.

Mety nanao pataloha roa angamba ilay jiolahy satria fantatra fa nesoriny ny patalohany iray izay nisy ny karapanondrony. Tombanan’ny mpanao famotorana fa niova lamba izy mba tsy hahafantarana azy, saingy hadinony ilay pataloha avy eo, ka izy niverina naka azy no tratra. Nifanenjehana ka teny amin’ny village touristique vao tratra. Natao avy hatrany ny fikarohana ary mbola tratra tany aminy avokoa ireo entana ary efa tafaverina amin’ny tompony. Nanambara kosa ity jiolahy ity fa misy olona ambony naniraka azy.

Hatramin’ny taonany dia nolazainy fa tsy hainy fa eo amin’ny 25 taona eo ho eo izy, araka ny nambarany. Efa mandeha ny famotorana ka ho hita eo ihany ny marina.

Nangonin’i Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés