Webradio

BEMANONGA MORONDAVA : Nitokona ireo mpampiasa ny ranon’i Dabaraha

Vokatry ny fanimban’ireo olona sasany sy ny fanaovana sotasota ny hidin- dranon’ny “ranon’i Dabaraha” ao Bemanonga Morondava dia nanapa-kevitra ny hidina an-dalambe ireo mponina omaly tontolo. 13 septembre 2017

Tsy zaka intsony ny fahasahiranana ateraky ny fomba fitantanan’ny olona vitsivi-
tsy ny tohodrano ka voatery mitroatra izy ireo. Araka ny loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity dia nitokona sy nanakan-dalana teo amin’ny tetezan’i Marofototra ireo tantsaha misedra olana momba izany nanomboka io talata io. Misy ireo olona sasany voalaza fa tsy miraharaha ny tokony hatao mikasika ny fanajana ny hidin-drano.

Niteraka ady amin’ny samy vahoaka ao an-toerana nandritra ny herinandro maromaro izay. Efa nisy anefa ny fampilazana ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny faritra saingy mbola tsy hita izay fandraisana andraikitra. Marihana àry fa manomboka vaky ny ady ka mitady hihenjana ny tady noho ny tsy fitovian-kevitra.

Ny tsy fahatongavan’ny rano any amin’ny velaran-tany maro no anisany mampalahelo ireo tantsaha, ka izany no tena mahatonga ny fitokonana.

Miandry ny vahaolana omen’ny fanjakana izy ireo hatreto ary tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakiana sy ny vahaolana maharitra omena azy ireo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés