Webradio

CIRGN TOLIARA : Efa mandroso sy mihatsara ny ady amin’ ny kolikoly amin’izao fotoana izao

Anisany fanoitra iray iadiana amin’ny fahantrana sy hahatongavana amin’ny tena fampandrosoana marina ny ady amin’ny kolikoly. 13 septembre 2017

Hita sy tsapa ankehitriny fa efa saika resy lahatra amin’izany avokoa ireo sokajin’olona sy ambaratongam-pahefana samihafa misy manerana ny Nosy, saingy misy ihany ireo minia manao izany. Raha ny eto Madagasikara manokana dia anisany sehatra mahabe ahiahy ny vahoaka amin’ny resaka kolikoly ny eny anivon’ny fitsarana sy ny fitandroana ny filaminana.

 Manoloana izany indrindra dia tsy tokony hifampiandrasana ny ady atao amin’ny fanafoanana ny kolikoly, hoy ny lehiben’ny Cirgn ao Toliara. Raha ny ao amin’ny Cirgn Toliara manokana dia efa misy ny fepetra manokana raisina ary ifampifehezan’ny samy mpiara-miasa mba hiadiana amin’ny kolikoly araka ny fanazavana. Efa misy ihany koa ny torolalana na eo amin’ny samy mpiara-miasa ihany aza mba hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly.

170 no fanambaràm-pananana natolotra ny bianco

Araka ny fanazavana dia efa maro ireo ezaka atao hitondrana ny ady amin’ny kolikoly raha ny ao amin’ny Cirgn Toliara manokana, na amin’ny fifandraisana anatiny izany na amin’ny any ivelany. 

Mahakasika ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fifandraisana anatiny dia miseho izany amin’ny alalan’ny fandraisana ireo fepetra isan-karazany ho fanatsarana ny asa, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny foto-pisainana, amin’ny alalan’ny fanaingana fomba fijery vaovao sy fomba fihetsika vaovao atao amin’ireo mpisehatra rehetra ao anivon’ny zandarimariam-pirenena mba ho tsapan’ny mpiara-belona fa natao hiaro ny olona sy ny fananany tokoa ny zandary. 

Manoloana ireo ezaka ireo dia fantatra ankehitriny fa efa mitana ny laharana fahaefatra ny zandarimaria ao Toliara, raha anisany voaresaka teo aloha fa voalohany, amin’ny resaka kolikoly. Raha ny fantatra nandritra ny fanambaram-pananana natao teny amin’ny biraon’ny Bianco tamin’ny 04 Septambra lasa teo dia 170 no fanambaràm-pananana natolotra azy ireo avy amin’ny Cirgn ao Toliara, ahitana ny avy ao Atsimo Andrefana ary Anosy sy Androy. Tsara ho fantatra fa efa misy ny lalàna ankehitriny manambara ny tsy maintsy hanaovana izany fanambaràm-pananana izany mba hisian’ny fangaraharana. 

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Bianco Toliara dia nisy ny fandraisana naoty ny lisitr’ireo nanao fanambaràm-pananana voaray. Notsiahivina ihany koa fa isaky ny roa taona indray ny fanavaozana izany fanambaràm-pananana izany saingy afaka manao izany mialohan’ny fotoana kosa raha misy fiovana tokony hambara.

Lucien R.  

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés