Webradio

ANKOLAFY MPANOHITRA : Mitsipa-doha laka-nitana ny Fitondrana Hvm

Mivoaka tsikelikely amin’ny fahanginany ireo antoko mpanohitra vao nahare ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta fa mety hasiam-panamboarana io lalàmpanorenana io. 15 septembre 2017

Hentitra ireo antoko avy amin’ny ankolafy mpanohitra raha namaly bontana an’io fanambarana io, izay midika ho fitsipahana ny safidim-bahoaka, araka ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo. Ho an’ireo antoko mpanohitra dia ny vahoaka no anisany nandatsa-bato noentina nandaniana ny lalàmpanorenana kanefa dia izao kasain’ny fitondram-panjakana hovaina izao.

« Mitovy amin’ny mitsipa-doha laka-nitana ny fitondrana Hvm », hoy ny fanambarana nataon’izy ireo. Anisany nitondra ny heviny mahakasika ity raharaha fanovàna ny lalàmpanorenana ity ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga na Mmm. Tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitry antoko, Laurent Ramaroson  no nilazany fa «  efa hita taratra tamin’ny fanendrena ny filohan’ny antenimierandoholona ankehitriny io ka hisy ny fikitihana ny lalàmpanorenana  ». 

Ho an’ny antoko Malagasy miara-miainga manokana dia tokony ny fanajana ny lalàm-panorenana no hataon’ny fitondrana laharam-pahamehana fa tsy ny fanovàna azy velively. «  Efa nianianan’ny mpitondra io lalàmpanorenana io ka tokony hajaina  », hoy hatrany ny fanambarany. Ankoatr’izay dia mitsipaka marindrano ny fikasan’ny mpitondra ihany koa ny antoko avy amin’ny Mapar. 

Ho an’ity farany dia fanatanterahana ny fifidianana no tokony himasoana fa tsy fandrebirebena saim-bahoaka ka hanao fitsapan-kevi-bahoaka hoentina hanovàna ny lalampanorenana indray. Tahaka ny fanehoan-kevitra efa nivoitra hatramin’izay dia iraisan’ireo mpanohitra ny fiheverana fa misy tetika voaomana kasain’ny mpitondra hatao ao ambadik’izao fikitihana ny lalampanorenana izay mety hiafara amin’ny fanitarana ny fotoam-piasan’ny Filoham- pirenena ankehitriny izao. Hentitra ny Mapar raha nilaza fa «  rehefa tapitra ny fotoam-piasan’ny Filoham-pirenena dia tokony hiandry fifidianana ny vahoaka fa tsy tokony horebirebena amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Ary tsy tokony handany andro na handany vola amin’izany”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra avy amin’ny Mapar.

Avotra Isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés