Webradio

LYCÉE TECHNIQUE MAHAJANGA : Mampidi-doza ny mandalo eny amin’ny alina

Efa ela no nampiaiky ny olona ny asan-jiolahy eny amin’ny Lycée technique Ambalanomby Mahajanga. 15 septembre 2017

Vitsy amin’ny olona no mahasahy mandalo amin’io lalana manakaiky io sekoly io rehefa alina, hatramin’ny bajaj no mandà mafy mihitsy. Anisany anton’izany ny aizina amin’ny lalana manakaiky an’io sekoly io. Efa ela no tsy nisy jiro ny lalana ka miteraka ny tsy fandriam-pahalemana. Ankoatra ny sinto-mahery sy ny fanendahana dia misy koa ny fanolanana, ka tsy lahy tsy vavy samy lasibatra daholo.

Ny Bajaj no teno tsy manaiky manatitra olona mipetrakatra eny Ambalanomby raha mandalo eny amin’ny sekoly ny lalana. Ny sasany indray dia manatitra ihany fa mampiakatra ny saran-dalana indray.

Tsy ny Bajaj ihany no matahotra mankeny fa ny mpamily fiarakaretsaka hafa ihany koa, indrindra fa ny mpandeha an-tongotra. Manaitra ny tompon’andraikitra ary mba hijery akaiky an’io faritra io fa mampitaintaina ny maro.

Patricia (stagiaire)

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés