Webradio

AMBOHIJAFY - TOAMASINA : Mpiasa niasa iray andro nifaoka volamena rehetra tao an-trano

Tokantrano iray ao Ambohijafy Toamasina no lasibatry ny halatra nataona mpiasa an-trano, ny alatsinainy 18 septambra lasa teo. 20 septembre 2017

Raha ny fanazavana voaray, dia niditra niasa tao amin’ilay tokantrano izy, ny alahady 17 septambra izany hoe iray andro monja mialoha ny nisehoan’ny halatra.

Samy tsy tao an-trano ireo mpivady mpampiasa ny marainan’ny alatsinainy 18 septambra io ka tamin’iny indrindra no nanaovany ny asa ratsiny. Noraofiny avokoa ny volamena rehetra tao an-trano. Karohina fatratra izy ankehitriny.

Manampy amin’ny fikarohana azy ny fanadinoany ny karapanondrony tao an-trano. Tovovavy 23 taona izy io.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés