Webradio

KAMIAO MPITONDRA OMBY NIVADIKA TAO AMBATO-BOENY : Olona 1sy omby 7 no maty

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no niseho tao amin’ny Fokontanin’Ambaliha Kaominina Ambondromamy Distrikan’Ambato- Boeny Rn6 ny fiandohan’ny herinandro lasa teo ka olona iray miampy omby miisa fito no namoy ny ainy tamin’izany. 21 septembre 2017

Araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia kamiao mpitondra omby Mercedes benz Imm avy any Vohemar hihazo an’i Marovoay no nivadika . Marihana fa omby niisa 29 no tao anatiny ka ny fito tamin’ireo no maty tsy tra-drano avy hatrany.
Olona iray kosa no voalaza fa naratra mafy ary niezahana noentina tao amin’ny Hopitaly Mampikony saingy nindaosin’ny fahafatesana ihany ny farany.

Notazomina ao amin’ny Borigadin’Ambondromamy ilay rangahy mpamily raha ny loharanom-baovao ihany ka misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés