Webradio

CACAO : Hitsidika an’Ambanja ny delegasionan’ny Antenimierandoholona

Ny alarobia ho avy izao dia hitsidika ny Distrikan’Ambanja ny delegasionan’ny Antenimieran-doholona. 25 septembre 2017

Mialoha lalana an’ity delegasiona ity ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona ho an’ny faritanin’Antsiranana, Amido.

 Nambaran’ity farany fa anisany anton-dian’izy ireo ny olana mianjady amin’ny vokatra cacao, izay latsaka ambany dia ambany ny vidiny any an-toerana na dia fantatra aza fa tsy ampy nefa tsara kalitao maneran-tany.  Tokony hampitomboina ny vokatra cacao eto Madagasikara, indrindra any Ambanja mba hahafahantsika hisintona ireo mpandraharaha avy any ivelany. 

Tsy mahagaga raha any Côte d’Ivoire ireo mpandraharaha no manafatra ity vokatra fanondrana ity. I Côte d’Ivoire izay isan’ireo firenena mamokatra cacao be indrindra maneran-tany. Vinavinaina ho maherin’ny 175 000 000 t ny cacao hovokarin’i Côte d’Ivoire amin’ity taona ity  », hoy Amido. «  Hijery ny fomba hampandrosoana ny Vondrom-bahoaka itsinjaram- pahefana sy ireo Vondrona ara-toekarena sy sosialy ao amin’ny faritra Sambirano no tena anton-dianay  », hoy ity farany.

A.Lepêcheur 

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés