Webradio

AMBATONDRAZAKA - KAMIAO TRA-DOZA : Olona telo maty tsy tra-drano, am-polony naratra mafy

Tsy mampilaza tokoa ny loza rehefa ho tonga fa dia fianakaviana avy nandevina indray teto no niharan-mboina nahatsiravina ka namoizana aina mihitsy.   6 octobre 2017

Tao  Ambohitava Kaominina  Manakambahiny Avaratra Distrikan’ Ambatondrazaka  indray afak’omaly atoandro no nisehoana lozam-pifamoivoizana ka olona miisa telo hatreto no fantatra fa maty tsy tra-drano. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia fianakaviana avy nandeha nandevina tany Ambohidelahy handeha hody  any Bejofo io kamiao io no nivadika  ary nandriaka dia nandriaka ny rà. 

Niala lavaka tao anaty tetezana ilay mpamily  no nivadika ambony ambany raha ny fanazavan’ireo velon’aina soa aman-tsara. Olona teo amin’ny telopolo teo no nentin’ilay fiara ary maro ihany koa ireo naratra mafy ka tonga dia nalefa tao amin’ny Hopitalibe an’Ambatondrazaka avokoa ireo taorian’ny loza. Ny borigady ao Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao no misahana ny famotorana ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés