Webradio

LOZAM-PIARAKODIA TAO SAMBAVA : Zazavavy Valo taona maty voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana

Matetika aharenesana lozam-piarakodia amoizana ain’olona any amin’ny Distrikan’i Sambava iny, efa ho iray volana mahery izay. 10 octobre 2017

Zazavavy antsoina hoe Elvina maty noraofin’ny fiara tsy mataho-dalana, afakomaly maraina teo tokony tamin’ny 9 ora.

Tao an-tampon-tanànan’i Sambava no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana dia nihazakazaka niampita lalana i Elvina, kinanjo nisy fiara 4X4 nirimorimo mafy tampoka. Tsy afaka niala intsony ilay zazavavy ary dia voadonan’io fiara tsy mataho-dalana io. Naratra mafy ity farany, nijanona kosa ilay mpamily ary nanolotra vola 100 000 ariary ny ray aman-dreniny nitondrana azy tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra.

Nomeny ihany koa ny laharan’ny finday azo iantsona azy raha toa ka misy ny manahirana. Voalaza fa tao amin’ny toeram-pitsaboana Salfa no nitondrana vonji- maika an’i Elvina. Ora vitsy nahatongavany tao amin’ny hopitaly anefa dia tsy tana ny ain’io zazavavy kely.

Taorian’izany tranga rehetra izany dia noraisiny Polisy ao an-toerana an-tanana ny raharaha. Nantsoin’ireo mpitandro filaminana ilay tompon’ny fiara nahavanon-doza dia tsy nandray antso intsony, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Voalaza fa mpanefoefo ao Sambava ity lehilahy nahavanon-doza ity.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés