Webradio

ANTOKO POLITIKA R.M.T.F : “Ny fialan-dRajaonarimampianina no vahaolana ho an’ny firenena”

Nandritra ny dinidinika natao, teny amin’ny 67ha omaly maraina, dia maro ny fomba fiasa mila miova ary voateny hatramin’ny  tokony ho fametraham-pialana ataon’ny mpitondra.  12 octobre 2017

Hita taratra ankehitriny fa mihamaloka hatrany ny raharaham-pirenena. Ny fahantram-bahoaka efa lalina mbola ampian’ny valanaretina pesta indray, etsy andaniny ny  fitokonana etsy sy eroa toy ny fitakiana ataon’ny SMM sy Mpiraki-draharaha. 

Isan’izany koa ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fandriam-pahalemana amoizan’aina mifanesisesy . Porofo mivaingana ireo rehetra ireo fa tsy mahavaha olana sy miraviravy tanana ireo tompon’andraiki-panjakana ambony rehetra. Ny ady ho an’ny tombontsoan’ olom-bitsy hatrany hatreto ny tiana hotohizana, hany ka ny madinika no mibaby ny mafy sy tsy zaka. 

Manoloana izany rehetra izany dia mitaky ny fialàn’ny mpitondra ity antoko politika ity ary  mangataka ny amin’ny tsy firosoana avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Marihina fa toa zary miendrika kajikajy politika ifikirana eo amin’ny Fitondrana  fotsiny sisa ny antony hanaovana izany fifidianana izany. Mahatsiaro resy sy voatampim-bava ny madinika. 

Nohamafisin’ity antoko politika ity fa tsy fanajana ny Demokrasia ny firosoana amin’ny fifidianana raha mitaha amin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana. Badoina loatra ny vahoaka ary vidiana vola sy tambatambazana amin’ny zavatra tsy maharitra ny saina mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. 

Loza mitatao ho an’ny firenena ny pesta raha tsy voafehy sy mitavozavoza hatrany ary mifanilika andraikitra ny Mpitondra. Raha mitohy ny fifanolanana eny amin’ny Fitsarana dia hisy ny korontana. Tsy hiteraka tombontsoa sy fanovàna ho an’ny vahoaka ny fifidianana fa famerenana ihany ny teo aloha. 

Hampanahy ny misaina ny ampitso sy ny ho avin’ny taranaka  raha toa ka mbola mijanona eo amin’ny toerany ireo mpitondra fanjakana ankehitriny, izay tsy misy azo antenaina intsony. Vokatr’izay dia manao antso avo faran’izay maika amin’ireo vahoaka mahatsapa tena fa mijaly izy ireo mba hijoro ho tompon’andraikitra feno amin’ny fanorenana ifotony ny Firenena.


 Tatianà R.


ANTOKO POLITIKA R.M.T.F
2017-10-15 08:06:43 par bordeaux 3300

Olana am rajao ity anime ? Tsy nianatra resaka politik iz.art tonga tampoka tel am fitondrana.tampoka ! Satria nahoana ? Nanaradia an i rajoelina izay nanotrona azy NY vahoaka.art tapa sy tsy azo modiana fanina karaha ataon i hvm São fa presque 90% NY olona nitohanan i rajoelina TM fifidianna maire tel ? Dia la y daholo art narahim bahoaka i rajoelina.jereo i lalatiana. 2 e position izy. Aida NY hvm ? Tokony ravany na50% fotsiny aza NY renivoho paritany rehetra raha matnjaka araka voalazan i rivon doza rakotovao NY hvm. Aiza ? Vato Navy Andy ambanivohitra izay tsy mahalala hala voto ataon i mpitondra amzao ni ambakaina fitahina am la inga am radio m pnjakana, avadika NY safidim bahoaka. Acy Andy ambanicohitra mora avadika NY safidim bahoak Any. La amzao dia ireo députée ni manodina NY lohan NY filoha am n il referandum il satria ankabeazan izy reo ao du à mpamadika palitao daholo Ka TS mijery afa TS tombotsoa manokana ihany fa tsy mis te hijery Joe solotenan NY vahoaka anime zahay ity la hiaro zareo. C non. Art hit à mihaeihary fa potehin infagy rajao ity renivohi paritany ity. Fagnahy feno fanavakavahana fa tsy aseho. Koa. Miverena rajoelina.avoty ireo vahoaka nankamamy anao tao a tana fa potehin drabetsy eeeh.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés