Webradio

HALATRA LAVANILA 5O KILAO TAO SAMBAVA : Naratra mafy ilay tompony nalaina an-keriny

Mbola mitohy hatrany ny halatra lavanila ao amin’ny Faritra Sambava ankehitriny ary betsaka ireo mbola velon-taraina noho ny zava-misy raha ny tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana. 16 octobre 2017

Toy ny zava-nisy tao Andranofotsy Kaominina Sambava, ny sabotsy alina lasa teo, dia olona misaron-tava nitondra basy maromaro no tonga tao amina hotely iray ao an-toerana ary nanapoaka basy. Novakian’izy ireo ny efitrano laharana fahaefatra tao amin’ity Hotely ity, izay fantatra fa nisy lavanila maina sy efa masaka. Milanja teo amin’ny 50 kilao teo io lavanila io ary lasan’izy ireo ka nalainy an-keriny hatramin’ny tompony.

Nofatoran’izy ireo ny mpiambina ny tanàna ka nirifatra nitsoaka izy ireo. Nisahotaka ny iray tanàna tamin’io fotoana io ary nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Rehefa tonga ny tamin’ny roa ora maraina dia iny fa nipoitra ho azy ny tompon’ity lavanila ity ary naratra mafy. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra ny olona nahavanona izao fanafihana izao fa mbola eo am-panaovana ny famotorana ny zandary.

Efa nahazo fitsaboana kosa ny voatafika raha ny tatitra voaray ihany. Andrasana ny fivoaran’ny valin’ny fikarohana.

Tatianà R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés