Webradio

DISTRIKAN’ANDAPA : Tafakatra 50 000 ariary ny iray kitapon’ny arina fandrehatra

Any amin’ny Distrikan’Andapa no lafo vidy indrindra amin’ny arina fandrehatra eto amintsika ankehitriny. Tafakatra 50 000 ariary ny iray kitapo any an-toerana ary dia maro ny mponina mikaikaika noho ny tsy fahafaha-mividy amin’izao fahasarotam-piainana mahazo ny vahoaka Malagasy izao. 16 octobre 2017

Voatery mividy amin’ny antsinjarany avokoa ny ankabetsahan’ireo mponina ao an-toerana ary 3 000 ariary ny iray siny. Eo anatrehan’izany dia sarotiny ny lehiben’ny ala any an-toerana amin’ny fikapahana hazo ary voatery manafatra arina fandrehatra avy ao amin’ny Distrikan’i Vohemar ireo mpangala ambongady any an-toerana.

Voaaro fatratra ny ala ao Andapa. Anisany mampidangana azy io ny fitaterana na dia izany aza tafahoatra ny tombony alain’ireo mpivarotra. Fantatra fa 300 km eo ho eo ny elanelan’ny Vohemar sy Andapa. Efa ho iray volana teo no nampidangana ny vidin’ny arina fandrehatra ao Andapa. Marihina fa lafo fiainana tokoa ny faritra Sava. Voalaza fa noho ny fisian’ny vokatra lavanila no tena mahatonga izany ary voatery manararaotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra rehetra.

Anisany tena mampidangana ny vidim-piainana any an-toerana ihany koa ny faharatsian’ny lalana itondrana ny vokatra. Mbola ao anatin’ny fotoam-piotazana lavanila ihany koa ny Faritra ankehitriny ka manararaotra ireo mpivarotra.


Pounie

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés