Tonga nanome voninahitra ka nitsena ny razana ireo mpitondra fanjakana sy ny Solombavambahoaka vitsivitsy voafidy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy sy ireo Raiamandreny ara-drazana ao an-toerana ary ireo vahoaka marobe. Vory tokoa ny vahoaka naneho ny alahelony amin’ny fahalasan’ity olomanga ity.
Araka ny lamina efa napetraka dia noentina mivantana teny amin’ny tranony eny Matiakoho aloha ny razana izay vao noentina eny amin’ny kolejy St Joseph Ambilobe. Ao no handrasana ny nofo mangatsiakan’ny Filoha teo aloha ity alohan’ny handevenana azy any amin’ny fasan-drazany any Betsiaka.
Mety rahampitso no hanainga ao Ambilobe ho any Betsiaka ny nofo mangatsiakany ary halevina amin’ny fasan-drazany, ny sabotsy ho avy izao.
A.Lepêcheur