Webradio

FIANARANTSOA : Noesorin’ny polisy monisipaly ireo mpivarotra tsy manara-dalàna

Raha toa ka teto Antananarivo hatrany no nahitana ny fifanjevoana eo amin’ny mpivarotra amoron-dalana sy ny polisy monisipaly hatramin’izay, dia efa miseho ihany koa izany any amin’ireo renivohi-paritany hafa toa an’i Fianarantsoa. 19 octobre 2017

Amin’izao fotoana izao mantsy dia fantatra fa hiroso amin’ny drafitrasa fanajariana ny tanàna ny tompon’andraikitra mitantana ny kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa. Isan’ny toerana hanombohana izany ny arabe mamakivaky an’Ampasambazaha afovoany izay ahitana ireo mpivarotra tsy manara-dalàna isankarazany.

Toerana ihany koa ahitana ireo tranombarotra mamoaka entana ka mivarotra izany eny amin’ny faritra natao handehanan’ny mpandeha an-tongotra (Trottoir). Ity farany izay miteraka olana tokoa satria lasa tery ny arabe. Manoloana izay zava-misy ao Ampasambazaha afovoany izay dia nidina ifotony tao an-toerana, nanala ireo mpivarotra tsy manara-dalàna ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’i Fianarantsoa ny talata lasa teo.

Fidinana an-tsehatra izay notarihin’ny lefitry ny lehiben’ny polisy monisipaly. Ity farany izay nanambara fa efa nisy ny taratasy nalefa ho fampilazàna mialoha ireo mpivarotra ny amin’ny tsy tokony hamoahana ny entana amidy eny amin’ny faritra natao handehanan’ny mpandeha an-tongotra intsony. Ny zoma 13 oktobra teo no efa teny am-pelatanan’ireo mpivarotra izany taratasy izany araka ny voalaza hatrany.


Hisy polisy hapetraka hanara-maso

Efa nifarana araka izany ny fe-potoana nomen’ny kaominina kanefa dia mbola nisy tamin’ireo mpivarotra hatrany ny nanao fanahy iniana nandika izay lamina napetraka izay. Noho izany, voatery nandray fepetra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidina ny tanàna, tamin’ny alalan’ny fanaisorana ireo trano hazo noforonina hivarotana ambony “Trottoir”.

Nomarihin’ny lefitry ny lehiben’ny polisy monisipaly ao Fianarantsoa kosa fa mbola hisy ny lamina hapetraky ny kaominina mahakasika ireto mpivarotra eo Ampasambazaha ireto. Nanomboka ny talata lasa teo dia nisy ny fanaraha-maso hentitra hatao amin’ireo mpivarotra hisorohana ny mety mbola hisian’ny tsy fanarahan-dalàna indray. Hisy araka izany ny polisy izay hapetraky ny kaominina manodidina io toerana io mba hijery manokana momba izay tranga izay.

Izany no atao dia ny mba hanomezana endrika ny tanàna, hoy ny fanazavana ary ihany koa mba ho fampianarana ny rehetra mba hanaraka ny lalàna misy eo amin’ny tanàna misy ny tsirairay.

Lucien R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés