Ny any amin’ny Faritra atsimo Andrefan’i Nosy no anisany mijaly rano, indrindra fa miditra ao anatin’ny maintany ny toetrandro eto amintsika ankehitriny. Na izany aza anefa dia misy ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny ministeran’ny Rano sy ny mpiara-miombon’antoka mba hahatratrarana ny tanjona ka hisy ny fidinanana ifotony amin’ny toerana maro hananganana fotodrafitrasa.
Raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny rano ao amin’ny minisiteran’ny Rano, Andriavelojaona Nirina dia “ hitety tanàna maro izy ireo ato ho ato ka ireo izay misedra olana indrindra no ananganana paompin-drano sy fotodrafitrasa. Azo lazaina fa marefo dia marefo ny fisian’ny rano ary saika ho mitaraina amin’ny haintany avokoa ny ankamaroan’ireo mponina. Manantena ny fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra fanjakana noho ny fahasahiranana ankehitriny ny ankabeazan’ny vahoaka madinika.
Tatianà R.