Ambetintenin’ity farany hatramin’ny fotoana nahavoafidy azy ho filohan’ny Ffm fa hanatanteraka araka ny tokony ho izy izay fampihavanam-pirenena nampiandraiketina azy ireo izay, ireo mpikambana. Toky nomeny ihany koa ny hisian’ny fampihavanana eny ifotony sy hampahalala ny vahoaka tsy ankanavaka ny antom-pijoroan’ity rafitra vaovao vao natsangana ity.
Raha tsiahivina dia tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy vaovao izay nahalany an’i Maka Alphonse, izay efa mpanao gazety sady efa mpikambana tao anatin’ny Ffm teo aloha. Tafatsangana tamin’io ihany koa ny birao handrafitra ity rafitra vaovao ity, izay nahitana ny filoha lefitra, ny mpampaka-teny sy ny vaomiera. Amin’ireto farany dia samy ananan’ny renivohi-paritany solotena tsirairay avy. Taorian’izay nisy avy hatrany ny fivoriana notanterahan’ireo mpikambana izay mbola tsy nisy nipika hatreto ny vontoatin’izany.
Avotra Isaorana