Webradio

VAHOAKA MIRAY : « Pr Zafy Albert ihany no mahalala tsara ny fitondrana ny fampihavanana »

Manahy amin’ny mety tsy hahatanterahan’ny fampihavanana tena araka ny tokony ho izy ny antoko Vahoaka Miray na Vami.  25 octobre 2017

Nambaran’izy ireo fa ity filoham-pirenena teo aloha nodimandry  ity ihany no nahalala tsara ny fomba hitondrana ny fampihavanana taorian’ny fitetezany an’i Madagasikara ary nandroso hevitra ny hitondrana ny fampihavanana avy any ifotony. 

Nambaran’ny antoko Vami anefa fa tsy mandeha araka izany mihitsy ny fomba itondrana ny fampihavanana ankehitriny izay tanterahin’ny FFM. «  Izahay izany dia manahy ratsy hoe maty ny rain’ny fampihavanana dia ho faty manarak’azy ihany koa ve ilay fampihavanana  ? 

Satria iarahantsika mahita fa misy olona tokony hampihavanina amin’ireo olona ireo  » hoy ny ny sekreteran’ny antoko Vami, Vakiniadiana Gabie. Araka izany dia mametraka ny ahiahiny ny Vahoaka Miray sao very an-javony ny fototra tokony hiaingana amin’ny tena fampihavanana marina.


Avotra Isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés