Webradio

FIZAHANTANY AO MAHAJANGA : Raikitra ny hetsika « safari des oiseaux » andiany faharoa

Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 08 novambra izao ao Ampitsopitsoka ny hetsika «  safari des oiseaux  » andiany faharoa izay karakarain’ny avy ao anivon’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Mahajanga. 25 octobre 2017

Raha ilay vorona antsoina hoe « Fotsy elatra » no natao famantarana ny hetsika tamin’ny andiany voalohany dia ilay vorona antsoina hoe voronosy kosa no hoentina amin’ity hetsika andiany faharoa ity. 

Hetsika maro araka izany no hotanterahina ka anisan’izany ny fitsidihana ireo toerana ahafahana mijery ireo vorona mandalo ny sasany na mitoetra amin’io faritra io. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fizahantany eto Mahajanga moa dia miisa 36 ny karazana vorona mandalo ao, 9 kosa ireo vorondrano, ary 6 ny vorona izay tsy hita raha tsy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina ka anisan’izany ilay vorona antsoina hoe voronosy. 

Anisany hampiavaka ny hetsika ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny amin’ny fampandraisana anjara azy ireo eo amin’ny varotra fampirantiana isankarazany.

Vahiny maro na teratany na avy ivelany araka izany no andrasana hitsidika eny an-toerana mandritra io 4 andro io.

Anja Robert

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés