Webradio

FESTIVAL ZAHO MBO GAOGNO ANDIANY VOALOHANY : Lasa kolontsaina ao Maroantsetra ny moto

Raha ny sabotsy 21 oktobra no daty voatondro tokony nanombohan’ny Festival «  Zah mbo Gaogno andiany voalohany » eto Maroantsetra dia notanterahina ny alahady 22 oktobra ny hetsika rehetra.  25 octobre 2017

Antony, noho ny fisaonam-pirenena ny andron’ny sabotsy, fanomezam-boninahitra ny raiamandreny, filoham-pirenena teo aloha, Pr  Albert Zafy.

Tontosa antsakany sy andavany ny Festival Zah mbo Gaogno andiany voalohany. Tanjon’ny festival ny fanomezan-danja ny fitaovam-pitanterana­ môtô indrindra fa ny môtô Honda antsoin’ny mponina any an-toerana hoe «  Zah mbo Gaogno  ». Fitaovam-pitaterana ampiasain’olona maro amin’ny fivezivezena  : fitateran’olona sy fitateram-bokatra. Nisy ny Tombola lehibe nahitana  : môtô, omby, kojakojam-pianarana, kojakokana môtô. Tompo-marika tamin’ny fikarakarana izao Festival tao Maroantsetra izao ny Faritra Analanjirofo sy orinasa Girofle d’Or ary ny magazy Tata.

Ho an’ireo rehetra izay nandaha-teny dia samy nilaza ny maha zava-dehibe ny famoronana hetsika enti-mampandroso ny faritra sy mitily lalam-barotra ahafahan’ny rehetra mahazo tombony. Fahombiazana ny andiany voalohany. Fantatra fa hisy isan-taona izao hetsika izao.

Voaporofo nandritra ny Festival fa tanànan’ny  môtô tokoa i Maroantsetra ary lasa kolontsaina any an-toerana ny fitiavana môtô.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés