Webradio

ROLAND RATSIRAKA : « Ho foana afaka herinandro ny pesta ao Toamasina »

Ny tolakandron’ny alarobia 25 oktobra lasa teo, nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina ny minisitry ny Fizahantany, Roland Ratsiraka.  27 octobre 2017

Valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay natao tao amin’ny biraom-paritry ny fizahantany Atsinanana. Nandritra izany no nilazany fa an-dalam-pamaranana ny valan’aretina pesta ao Toamasina.

«  Raha ny fanazavana tekinika izay voaraiko, dia afaka herinandro dia ho foana tanteraka izany pesta izany raha ho an’i Toamasina manokana  », hoy hatrany ity minisitra zanak’i Toamasina ity.  Midina hatrany mantsy ny isan’ny olona tsaboina ao amin’ny Pph Analankininina, Hopitaly Be. Miandry fanambaràna ofisialy avy amin’ny tompon’andraikitra voalohany sisa ny ataontsika, hoy hatrany ny fanazavany.

Momba ny fampiatoana ny zotram-piaramanidina nataon’i Seychelles kosa dia efa nisy ny fifampiresahana amin’ny ho famerenana izany. Torak’izany koa ny nosy rahavavy La Réunion, efa nasiana fifampiresahana mba tsy hahatapaka ny zotram-piaramanidina. Amin’ny herinandro ambony, fantatra fa ho tonga eto Madagasikara ny filohan’ny Omt (Organisation Mondiale du Tourisme). Vonona ny Omt hitondra laza tsara ho an’i Madagasikara. Mahakasika ireo sambo mpitondra mpizahatany, dia tsy misy ny fiovàna fa ho tonga eto Madagasikara izy ireo ny volana novambra izao.

Kamy


ROLAND RATSIRAKA
2017-10-28 20:28:26 par bordeaux 33000

Ouf.nahazo aretin i rajao. 3 volana an ! Foana NY délestage. São ndray herinandro dia foana NY peste.


ROLAND RATSIRAKA
2017-10-28 20:34:19 par bordeaux 33000

Nahoana tsy lazaina NY hoe afak erinandro du foana NY dahalo mandripaka omby sy mandatsak ain olona UEFA firy teto’zao dia ttratran i pesta n daingan i rajao. 3 volana an.São dia herinandro dia foana hono.pffff.kibo karaha barika voky volcan alatra n arempirenena ataon i hvm

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés