Webradio

ADY AMIN’NY ASAN-DAHALO : Zatovolahy miisa 9000 hanampy ireo mpitandro filaminana

Tanora manodidina ny sivy arivo no fantatra fa nilatsaka an-tsitrapo nanampy ireo mpitandro filaminana miasa any an-toerana noho ny asan-dahalo tsy misy fiafarany. 28 octobre 2017

Araka ny loharanom-baovao voaray avy any amin’ity Faritra Anosy ity dia nilaza ireo zatovo avy ao Taolagnaro sy Amboasary atsimo fa mihatra aman’aina ny fandrobana ataon’ireo malaso ao an-toerana ka niezaka nivondrona izy ireo mba handresy ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izay dia nisy ny fanofanana azy ireo ny rafitra napetraka arahina ka fampianarana maro dia maro no nampitaina tao anatin’ny herinandro vitsivitsy.

Ny tanjona, hoy ireo mpitandro filaminana dia ny fiaraha-mientana amin’ny iray tanàna ka mba hanamorana ny asa, indrindra fa hanatratrarana ireo andian-dahalo mpanafika sy mpampahory vahoaka. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina izany ary nisy ny valandresaka natao ka nanambara ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Jeneraly Randriamahavalisoa Girard fa “izao no natao dia mba hamongorana ny asan-dahalo sy hampanjakana ny filaminana.

Anisany faritra mena amin’ny asan-dahalo, hoy ny tenany ny Faritra Anosy ka voatery nitady vahaolana mikasika izany izy ireo ary misy ny dinika mbola hiarahana manao ato ho ato amin’ireo andian-jatovo voasokajy hanampy ireo hatrany”. Nomarihiny fa tsy ao amin’io faritra io ihany hatreto no fantatra fa hanaovana izao fandaminana izao fa izay faritra voalaza fa malaza amin’ny asan-dahalo dia hoezahana hametrahina fanofanana zatovo hiara-hiasa amin’ny zandary ihany koa.

Tatianà R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés