Webradio

DEPIOTEN’I MAROMANDIA : Matahotra hatezeram-bahoaka ka miafina ao amin’ny biraon’ny Zandary

Sakoroka be tao an-tampon-tanànan’i Maromandia, Distrikan’Analalava, omaly tontolo andro, voatery nilefa tao amin’ny Biraon’ny Zandary tao an-toerana ny solombavambahoaka Djaosera Irène lany tamin’ny antoko Psd. 2 novembre 2017

Araka ny loharanom-baovao dia teren’ity Depiote ity haverina ny ben’ny tanàna izay voalaza fa nisy didy navoakan’ny Fitsarana ny amin’ny nahazoany sazy mihatra
1 taona noho ny tsatok’antsy nataony tamin’ny mponina tao an-toerana.

Voalaza fa nitondra zandary ary nanao samboady ilay solombavambahoaka hanala ny Pds izay efa amperin’asa ka hamerina io ben’ny tanàna lany tamin’ny fikambanana Makalombo ity.

Tsy nanaiky izany anefa ireo vahoakan’i Maromandia ka raikitra ny sakoroka any an-
toerana tamin’ny ora nanoratanay. Natahotra ny hamaroan’ny mponina ny depiote Djaosera Irène ary voatery noentina nafenina ao amin’ny Kaompanian’ny Borigady ao an-toerana ho fiarovana ny ainy noho ny hatezeram-bahoaka vao nahita ny fihetsika nataony io.

Efa niainga hamonjy ny zava-misy ny Omc avy ao Antsohihy tamin’izao ora nanoratana izao. Ho taterina eto ihany ny tohin’ny raharaha any an-toerana.

Pounie

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés