Webradio

RIVO RAKOTOVAO : Niezaka nandamindamin-dresaka tao amin’ ny RFI

Nivahiny tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) ny filohan’ny antenimierandoholona, Rivo Rakotovao. 14 novembre 2017

Tamin’io no nanazavany ny antony nanendrena azy ho filohan’ity andrim-panjakana ity ary azo lazaina ho nandamindamina ny resaka ihany manoloana ny fanehoan-kevitra maro misy amin’izao fotoana izao nanoloana an’io fanendrena tampotampoka ny tenany io.

Nambarany tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny paikady politika ara-dalàna no nanendrena azy ho loholon’i Madagasikara ary nahalasa ny tenany ho filoha eo anivon’ny lapa maitso Anosy andro vitsy taty aoriana. Amin’ny ankapobeny dia tiany hodisoina ny hevitra mivoitra etsy sy eroa fa kajikajy politika maloton’ny antoko (Hvm) misy ny fitondram-panjakana ankehitriny io fanendrena io ary tetika hoentina hiomanana amin’ny fifidianana 2018 sahady. 

Nandritra io fivahinianan’ny filohan’ny antenimierampirenena tao amin’ny RFI io anefa dia niezaka nitondra ny fanazavana rehetra amin’ny maha ara-dalàna an’io fanendrena azy io ny tenany izay nohamafisiny fa ara-dalàna (stratégie  politique normale) indrindra fa amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. «  Hatramin’ny nahatongavan’ny Filohan’ny repoblika teo amin’ny fitondrana tamin’ny taona 2014 dia niezaka nanome lanja ny fahamarinan-toerana ara-politika ny tenany ary nanamafy ny fahamarinan-toeran’ireo andrim-panjakana ihany koa. 

Ny fanendrena ahy ho loholon’i Madagasikara dia manamarina izany, ny antoko misy anay dia manana ny maro an’isa ao anatin’ity andrim-panjakana ity  », hoy  izy raha adika tsotsotra ny fanazavana nomeny nandritra io fandalovany tao amin’ny Radio France Internationale io. Raha ny fanehoan-kevitra navoitran’ireo mpanao politika, fikambanana  maro samihafa, olom-pirenena tetsy sy teroa anefa no atao bango tokana dia toa mifanohitra tanteraka amin’izany. 

Maro tamin’ireo nitondra ny fanehoan-keviny no nilaza fa tetika hijanonana ela eo amin’ny fitondrana io nanendrena an’i Rivo Rakotovao ho loholona io, vao niroso tamin’ny fanendrena azy ho senatera fotsiny aza ny fitondram-panjakana dia nahalala sahady ny mety hiafaran’ny tantara ny ankamaroan’ny mpanara-baovao dia ny hahalasa azy ho filohan’ity andrim-panjakana ity. Tao ihany koa ireo nilaza fa mba hahafahana mampiasa ny fahefam-panjakana mandritra ny fifidianana, izay ho filoham-pirenena no anton’io. Mampametra- panontaniana ny mpanara-baovao araka izany ity fanazavany, izay manohy ny fampandriana adrisa sy  mihevitra ny vahoaka ho bado tsy mahalala na inona na inona.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés