Raha ny zava-nisy hita teny an-toerana tamin’io fotoana io dia tokony ho telopolo taona teo ilay vehivavy ary nitsirara sy nihotakotaka eraka ny arabe.
Betsaka ireo vatan-dehilahy nibata sy nisintona azy saingy vaky vava ny rehetra noho ny fahatanjahany. Soa ihany fa nisy olona niaraka taminy satria tena tao anatin’ny fotoana elaela mihitsy vao nisava ny aretina.
Raha ny filazan’ilay ramatoa niaraka taminy dia manana aretina mitaiza toy ny “androbe” io tovovavy io ka rehefa mafana ny andro na misy zavatra tsy zakany dia mihetsika avy hatrany izany. Tsy hitahita akory dia nitohana izay tsy izy ny fiara manodidina teny amin’ny Jirama Andavamamba.
Tatianà R.