Webradio

ANTSIRABE : Lehilahy nikononkonona hangalatra, saron’ny zandary niaraka tamin’ny basy vita gasy

Lehilahy iray indray no voasambotry ny mpitandro filaminana tao an-tampon-tanànan’i Vakinankaratra,  omaly maraina.  14 novembre 2017

Araka ny tatitra  voaray avy any an-toerana dia teo am-piomanana hanatanteraka ny asa ratsiny  teny amin’ny fokontanin’Andranomadio io tovolahy io no tratra ka noraisim-potsiny. Rehefa nosavaina ny tenany dia hita teny aminy ny basy vita gasy iray. 

Talohan’izay fahatratrarana azy izay dia efa nisy ihany ny loharanom-baovao  avy aminà olon-tsotra maromaro  mahakasika ny asa ratsy vitany  ka mora tamin’ireo zandary ny fisamborana azy. Nisy tamin’ireo olona aza nitaraina ho naratra mafy vokatry ny daroka nataona jiolahy. 

Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana  moa ny fanaovana fanadihadiana ity raharaha ity ary mbola betsaka ny famotorana hatao azy satria raha ny sombintsombiny voaray tamin’ny tatitra dia avy any Betafo ity lehilahy ity no tonga manafika ao Antsirabe.  Etsy andanin’izany ny fanadihadiana natao momba ilay basy hita teny aminy ka aorian’izay dia hampiakarina ny Fampanoavana avy hatrany ny raharaha.


Tatianà R. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés