Webradio

BELO AMORON’I TSIRIBIHINA : Romotra ireo alika tao an-tanàna, tafakatra 9 ireo naratra mafy

Tranga nampihoron-koditra ny mponina ny zava-niseho tao amin’ny Distrikan’i Belo Amoron’i Tsiribihina raha toa ka olona miisa sivy be izao no voakaikitr’ireo alika romotra mivezivezy teo an-tanàna, omaly tontolo. 16 novembre 2017

Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo nanatri-maso tamin’io fotoana io dia nosangisangian’ireo ankizy ireo alika miisa telo teo ka tonga dia romotra avy hatrany. Nanomboka teo dia nanenjika olona izay hitany ireto biby ka saika ankizy avokoa ireo voakaikitra. Nandritra izay tranga izay dia ao ny ankamaroan’ireo fokonolona no tezitra satria noho ny fanadalana ireo alika mpirenireny ihany koa no anisany niavian’ny loza sy nampitombo ireo voakaikitra.

Vokatry ny tsy fisian’ny fanafody tao amin’ny CsbII tao an-toerana dia voatery nalefa nitsabo tena tany amin’ny Hopitalibe Namahora Morondava ireo naratra amin’izao fotoana izao.

Tamin’ny dinika nifanaovan’ireo mpitsabo manoloana izany dia noezahina nosamborina sy nahidy trano iray ireo alika miisa telo izay voalazan’izy ireo fa romotra. Nampitandrina ny zanany tsirairay avy ihany koa ireo ray aman-dreny taorian’ny zava-nisy mba tsy hisangisangy ireo alika intsony satria zavatra tsy dia nampoizina tahaka izao matetika no ahitana loza.



Raim-pianakaviana tsy hita nandritra ny herinandro, hita faty voatetitetika

Loza nahatsiravina ihany koa no niseho tao an-tampon-tanànan’i Belo Amoron’i Tsiribihina ny talata lasa teo noho ny fahitana razana voatetitetika tao anaty lobolobo. Lehilahy antsoina hoe Ratsimbazafy Alexis no nalaza teo an-tanàna fa tsy hita popoka efa nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo iny. Raha ny filazan’ny fianakaviany nandritra ny famotorana natao azy ireo dia handeha hamboly any amin’ny Fokontanin’i Soanafindra no nialany tao an-trano ny marainan’ny alatsinainy 6 novambra 2017 lasa iny saingy tsy niverina intsony ny tenany. Teo vao nikoropaka nikaroka ny fokonolona ka tsy hita ny razana raha tsy ny talata lasa teo. Nandritra ny fikarohana sy ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana dia hita fa voatetitetika sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy ity.

Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava izay nahavanona ny loza ka mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny zandary. Nilaza ihany koa ny vadin’ilay rangahy sy ny fianakaviany fa tsy nanana olana tamin’ireo mponina ity nindaosin’ny fahafatesana ity hatramin’izay, ka ahian’izy ireo ho olon-dratsy mpandroba no nifanehitra sy nahavita nanao ny famonoana. Na izany aza anefa dia mbola miandry ny valin’ny famotorana ireo mponina hatreto.


Marisarisa ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana

Miaina ao anatin’ny tebiteby vokatry ny tsy fandriampahalemana misesisesy ireo mponina ao amin’ity Distrika ity raha ny tatitra voaray hatrany. Fantatra àry fa ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana sy ny halatr’omby no tena mampihorohoro ireo vahoaka tato ho ato. Tsy mitsahatra ahenoana ireo tranga ireo any an-toerana efa ho amam-bola maro izay ka misy ireo olona no tonga dia mifindra toerana miala ny tanàna. Manentana ny mpitondra fanjakana araka izany izy ireo mba hidina ifotony hijery ny zava-misy.

Efa misy ihany ireo andiana miaramila manatanteraka ny asany ao amin’ny Faritra saingy mbola mila ampiana isa izany raha ny fangatahana ataon’ireto iharan’ny fandrobana efa ho isan’andro.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés