Webradio

MANTALY - DISTRIKA AMBILOBE : Telo lahy maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy telo ahiana ho olon-dratsy no niharan’ny fitsaram-bahoaka ny talata teo tao Mantaly distrikan’Ambilobe. Iray tamin’ireto olona ireto nodoran’ny vahoaka velona, ny faharoa maty voakapa famaky fa ny fahatelo kosa dia tsy hita hatramin’ny omaly ny fatiny. 16 novembre 2017

Araka ny loharanom-baovao tsy niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo lehilahy telo ireo raha tsy nanao fihetsika mampiahiahy ka niafara tamin’ny famonoan’ny fokonolona azy ireo. Noho ny fisian’ny vaky trano sy halatra isan-karazany tato ho ato ao Ambilobe sy manodidina izay dia nidina tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mantaly ny polisy avy ao Ambilobe rehefa nisy nampilaza toe-javatra mampiahiahy tany an-toerana.

Tonga tao Mantaly ny alin’ny alatsinainy ny kaomisera sy ny ekipany nijery ny zava-misy. Nandritra ny fisafoana tanàna notanterahan’izy ireo dia nahasambotra olona telo nampiahiahy ny polisy ka anisan’izany ny lehilahy iray nitaingina bisikileta izay nahitana famaky teny aminy ary tsy manana karapanondro. Tafaporitsaka ity farany ary navelany teo ny bisikileta izay nentiny.

Misy lehilahy anankiroa hafa ihany koa vao nahita ny polisy dia nandositra ary nenjehin’ny fokonolona. Anisany voasambotra ihany koa ny vehivavy iray izay voalazan’ny fokonolona fa nampian-trano jiolahy ao Mantaly. Ny talata teo no nentin’ny polisy tany Ambilobe ireo olona voasambotra miisa telo ireo. Vao tonga tao Ambilobe dia nahare indray ny polisy fa misy olona telo tratran’ny fokonolona ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Avy hatrany dia niverina tany Mantaly ny polisy fa efa maty ireo telo lahy.

Tsara ny manamarika fa anisan’ireo olona maty ilay lehilahy tompon’ny bisikileta izay nahitana famaky teny aminy. Nentin’ny polisy any Ambilobe ny fatin’ireo olona roa hita tao an-toerana ary napetraka ao amin’ny tranom-paty ao Ambilobe. Raha tsy tonga haingana tany Mantaly ny polisy mety maro noho izay ny olona niharan’ny fitsaram-bahoaka. Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ataon’ny polisy mahakasika izao toe-javatra izao.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés