Webradio

CITE OUVRIERE ANTSIRANANA : Sipan’ny zanaky ny tompon-trano no ahiana ho nandoro trano

Ny alin’ny alarobia 15 novambra hifoha alakamisy dia nisy hain-trano tao amin’ny cité ouvrier ary fantatra fa tsy fifampikasohan’ny herinaratra no nahatonga ny afo. 20 novembre 2017

Araka ny vaovao tamin’ny fianakavian’ireo niharam-boina dia fandoroana niniana natao no nahamay ilay trano. Voalaza fa naharay hafatra fandrahonana an-tsoratra tamin’ny finday ny tompon-trano. Izay nilaza fa " hodorako ny tranonareo, fa teneno ny zanakanareo hiala amin’ny vadiko", andro vitsy mialoha ny tranga. Araka ny voalaza hatrany dia efa in-droa no naharay hafatra fandrahonana ny tompon-trano ary efa nametraka fitarainana teo anivon’ny polisy mahakasika izany.

Araka ny vaovao voaray hatrany dia rangahy efa nisaraka tamin’ilay tovovavy sipan’ny zanak’ireto may trano ireto no ahiana ho nandoro ilay trano ary manamafy izany ny hafatra fandrahonana nalefa. Mbola ao anatin’ny fanadihadihana sy fikarohana izay voalaza ho nahavanon-doza ny mpitandro filaminana.

Ilaina fanadihadiana lalina ny mahakasika izany mba hahafantarana izay tena nahavita nandoro ilay trano. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny.

Mpanjono

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés