Anisany mpandray anjara mavitrika tamin’izany ihany koa ny Banky BNI Madagasikara ka nisy ny tolotra nomen’ireo mpanjifa izay manana hetaheta hanamboatra trano. Ohatra amin’izany ny fampihenana ny tahan-jana-bola ho 9,95% ho an’ireo izay te handray anjara. Afaka mindram-bola amin’ity banky ity ireo izay liana ka ao anatin’ny 18 taona be izao no amerenana izany. Tsara homarihina araka izany fa tolotra maro dia maro no hita tamin’izany toy ny “tolotra taniko, tolotra tranoko,tolotra tanànako,tolotra orimbato ary ny tolotra fihoarana”.
Mahazo manatona ny ivon-toerana manerana ny Nosy avy hatrany ireo izay liana mba hanomanana ny antontan-taratasy ilaina sy ny fepetra arahina.
Tatianà R.