Nahemotra moa izy io noho ny fisian’ny valanaretina pesta teto Madagasikara. Ny herinandro lasa teo dia navorin’ny talem-paritry ny fahasalamana ireo mpitsabo sy mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana an-tsekoly, nampahafantarina ireo toromarika... mbola misy mantsy ireo ray aman-dreny tsy resy lahatra ka mila resena lahatra amin’ny fanaovana vaksiny ny zanany. Nambaran’ny dokotera Diana fa avy amin’ny « tay » ny virus mitondra ny aretina lefakozatra. Mitondra io otrikaretina io ny zaza rehetra vita vaksiny.
Ny zaza latsaky ny 5 taona anefa dia tia mitakosina amin’ny tany ka mahatafihinana maloto noho ny mbola fisian’ny jangoany eto amintsika... Manjaka avy hatrany amin’ny zaza tsy vita vaksiny ny otrikaretina ka mahatonga lefakozatra... Tsy mamela mahazo ny lefakozatra ka na maty na mitondra takaitra mandra-maty izay tratrany. Ny famerimberenana ny vaksiny dia manamafy ny fiarovana misy ao amin’ny zaza, hoy hatrany ny fanazavana ka manentana ireo ray aman-dreny hamela ny zanany hatao vaksiny.
Any am-pianarana no hanaovana ny vaksiny satria any no ahitana ireo ankizy mandritry ny adiny valo isanandro.
Vanessa