Toy ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny mpitandro filaminana, omaly maraina izao dia zandary miisa roa lahy miasa ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Morafenobe indray no tafiditra am-ponja vonjimaika ny 16 novambra 2017 noho ny fakana vola tsy ara-dalana. Ny antony dia nalefan’ny lehibeny hisambotra olona ahiahiana ho mpividy omby halatra sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo zandary ireo.
Navadiny zavatra hafa anefa io iraka io ka fakam-bola an-terisetra mitentina 700 000 ariary tamin’io olona io no nataony ary efa azony mihitsy aza ny 400 000 ariary tamin’ny vola notakiana.
Nametraka fitoriana tao amin’ny lehiben’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Melaky io olona io ka nirosoana avy hatrany ny famotorana ireo voampanga. Rehefa vita ny famotorana dia nentina niseho tao amin’ny Fitsarana any an-toerana izy ireo ary voatazona vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Maintirano, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Manamafy hatrany ny eto anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena fa tsy atao fialokalofan’ny mpanao ratsy na ny jiolahy na ny mpanararao-pahefana ny ao aminy ary tsy hisy mihitsy ny kitranoantrano na ny fiarovana ireo voapanga amin’ny fanatanterahana ny famotorana, na ny zandariamaria no miandraikitra izany na ireo antokon-kery ivelany afaka manao famotorana fa rehefa voaporofo ny tsy fanarahan-dalàna, dia raisina ny fepetra mifanaraka amin’ny lalàna manankery, na inona na inona galona na inona na inona toerana na andraikitra sahanin’izay voasaringotra amin’izany.
Tatianà R.