Raha ny tokony ho izy dia maro ireo kilasy tokony hirava amin’ny 6 ora hariva noho ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana izay tara noho ny fialan-tsasatry ny pesta teo iny. Tonga anefa ny baiko midina tamin’ny efatra ora fa tsy maintsy ravaina ny mpianatra satria ilain’ny Hvm ny trano hampiantranoana ireo mpizaika tonga hanaraka ity fihaonambem-paritanin’ny Hvm ity.
Zary atao zandrin-draharaha hatrany ny fampianarana satria isaky ny misy fihaonambe na fivorivoriana eto Mahajanga dia alaina hatrany ireto efitrano fianarana ao amin’ny Ceg Marcoz sy ny Epp Ampisikina ary ny sekolim-panjakana hafa eto Mahajanga. Misy anefa ny tsy manaja trano ka matetika dia simba ny fotodrafitrasam-pampianarana ka ireo mpianatra zana-bahoaka hatrany no lasibatra. Efa nisy fitarainan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra mikasika izany ary nisy ny fanamboarana nataon’ny mpitondra fanjakana nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra teo. Izao sahady dia efa atao fandraisam-bahiny koa ny efitrano fampianarana.
Vanessa