Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia nisy mponina teny amin’ny manodidina ny Fokontanin’i Mahasoakely sy Sahalava no nahita io lehilahy io nifatotra tongotra aman-tanana tao anatinà kirihitr’ala teo an-tanàna. Vao nahita izay izy ireo dia niezaka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo mba hijery ny zava-misy.
Misy ireo andian’olona sasantsasany tonga dia nandefa ny sarin’ny razana tamin’ny tambajotran-tserasera hahafantarana haingana izay mety ho fianakaviany. Taorian’izay dia nandray ny andraikiny avy hatrany ireto mpitsabo sy zandary ka hita soritra tamin’izany fa novonoina tamin’ny fomba farany izay nahatsiravina ity lehilahy ity. Rakotra dian’antsy sy mangana avokoa ny vatany iray manontolo. Araka ny vinavina nataon’izy ireo ihany dia karazany efa nampijaliana tany amin’ny toeran-kafa fotoana elaela izy io ka rehefa tapitra ny ainy izay vao naterina tao amin’ilay toerana.
Tamin’ny fotoana nanatanterahana ny fanadihadiana no nahafantarana ihany koa fa mipetra-drery ao amin’ny Fokontanin’i Bateravola izy io ary mpianatra ho mpitsabo ka mandranto fianarana ao Fianarantsoa. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava ireo olona nahavanon-doza saingy raha ny hevitr’ireo nahita maso dia mety ho lonilony no nahatonga azy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tahaka izao. Andrasana aloha ny fivoaran’ny valin’ny famotorana, hoy ireo fianakaviana. Marihana fa efa eo am-pelatanan’ny ray aman-dreniny ny razana amin’izao fotoana izao ka hoentina any Mahabako Manakara.
Tatianà R.