Webradio

KANTO MALAGASY : Nivoaka  ny 30 novambra teo ny rakitsary vaovao an’i Pr Komedo

Nivoaka ny 30 novambra lasa teo ny rakitsary (clip) vaovao an’ilay mpanakanto, Pr Komedo.  7 novembre 2017

Ilay hirany mitondra ny lohateny Gasy Vs Vazaha io nivoaka rakitsary ny alakamisy 30 novambra io. Hira maharitra 4mn sy 20 segondra. Rakitsary izay efa hita ao anatin’ny YouTube ary misy dika mitovy ao anaty tambajotra sosialy, facebook.

Raharivony Michinka Nathaniel no tena anaran’i Pr Komedo. Avy any Maroantsetra no fiaviany fa mila ravinahitra ao Antananarivo, 25 taona ny tovolahy amin’izao fotoana izao ary mpampianatra taranja matematika. Amin’ny maha mpampianatra azy io no nakany ny anarana maha artista, Profesora Komedo. Ny volana febroary 2017 no nanomboka nihira izy. Tombony ny fananany mpiahy (manager) roa, iray eto Madagasikara, iray any Eropa. Hira voalohany navoakany ilay hoe Multi-prise. Hira izay efa vita rakitsary ary efa tsy afaka am-bavan’ny maro. Lasa teny fampiasan’olona andavanandro ilay teny nampiasainy tao anatin’ilay hira Multi-prise hoe  : «   vola mampikatrafoko raha jiaby  !  »

Vao namoaka io hira io Pr Komedo dia tafiditra sahady teo amin’ny sehatra nasionaly. Taorian’ny Multi-prise, dia nivoaka ny hirany Poser en lapin. Hira izay mitantara olona tsy mitazona teny nomena. Ny volana aogositra 2017, nivoaka ny hirany mitondra ny lohateny “Mofo”. Hira izay teraka noho ny fitiavany basketball ary itantarany olona tia tena eny ambony kianja. Hira fahaefatra navoakan’i Pr Komedo ilay “Tsongoy fonao”. Hira mananatra an’ireo olona mpanararaotra tantsaha. Vokatra fahadimy ilay hoe “Fitia tsy voaravan’olo”. Amin’ny maha mpampianatra matematika azy, dia noporofoiny ao anatin’ny hirany «  Fitia tsy voaravan’olo  » fa azo tazomina amin’ny alalan’ny fizika sy matematika ny fitiavana.

Vokatra fahaenina izay mbola manitra be ilay hirany “Gasy Vs Vazaha”, ilazany fa hafa ihany ny lehilahy gasy amin’ny lafiny fitiavana. Hira izay valin-kafatra ho an’ireo vehivavy nanakiana fatratra ny lehilahy gasy. Nijoro ho mpiaro ny lehilahy gasy, noho izany i Pr Komedo manoloana ireo horonantsary milaza fa tsara ho an’ny vehivavy malagasy ny manambady vazaha. “Sahala amin’ny ramanonaka ny lehilahy gasy izay sady mamy no masina”, hoy Pr Komedo. 

Tsy hadinony koa ny nisaotra an’ireo vehivavy malagasy mankafy lehilahy gasy. Anisany mbola hiran’i Pr Komedo ilay hoe “Manonga vintana sy Photoshop”. Ity mpanakanto ity izay miezaka hatrany manome ny tsara indrindra avy aminy ho an’ny mpankafy mozika amin’ny alalan’ny hira mitatitra ny zava-misy. Mitohy ny lalan’ny mpanakanto ary manana ny hoaviny mamirapiratra izy. Rehefa feno heritaona ny nihirany,  izany hoe amin’ny volana febroary 2018 kosa no manomboka ny fitetezam-paritra eto Madagasikara sy any ivelany.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés