Webradio

BEMANEVIKY - SAMBAVA : Zazavavy 16 taona bevohoka namono tena

Trangam-piarahamonina mampalahelo indray no niseho tao amin’ny Fokontany Antognopahitra Bemanevika, Distrikan’i Sambava ny alahady maraina teo.  5 décembre 2017

Zazavavy tsy ampy taona namono tena nisotro lasantsy noho ny hakiviana sy henatra eo amin’ny fiarahamonina fa indrindra amin’ireo mpiara-mianatra aminy. Dimy minitra raha ela indrindra no nisotroany izany dia nalemy ilay zazavavy ary tsy nahatsiaro tena, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Taitra ny ray aman-dreniny raha vao nahita ity farany nalemy ary tsy nahatsangana intsony ka nikoropaka nitondra azy namonjy hopitaly avy hatrany. 

Ao amin’ny Hopitaly Chrr Besopaka no nitondrana azy ary mbola manaraka fitsaboana ity zazavavy tsy ampy taona ity hatramin’izao satria arahi-maso akaiky ny fahasalamany. Voalaza fa mitondra vohoka tsy fidiny ity farany ka manenina ary mbola noferan’ny ray aman-dreniny tsy mandeha an-tsekoly intsony satria efa miha hita ny kibony. Ahian’izy ireo hanafitohina ireo mpampianatra na hitondra fahasorenana ny mpiray kilasy aminy ny anton’izany fandrarana izany. Taorian’izany dia tsikaritr’ireo ray aman-dreniny fa mitomany ity zaza ity raha vao miditra ny trano ka mahita ny kitapony sy ny blozy fitondrany any an-tsekoly.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés