Tsy vao izao no aripaky ny olona izany atiala izany ary tsy mitsahatra mampiaka-peo ny mponina ao an-toerana sy ny manodidina fa tsy ahitam-bahaolana avy amin’ny fitondrana hatramin’izao.
Ahitana hazo mijoalajoala mahatratra hatrany amin’ny 25m ny haavony ao amin’ny tendrombohitr’i Ambre izay marihina fa lasa valan- javaboaharim-pirenena nanomboka tamin’ny taona 1958. Ao ihany koa no misy ny loharano na lohasaha mamatsy ny tanànan’ Antsiranana sy ireo kaominina maro hafa manodidina. Miisa 78 ireo lohasaha ireo tany aloha tany. Ankehitriny dia tsy misy afatsy 16 monja.
Tandindomin-doza arak’izany ny kaominina Joffre-Ville sy ny distrikan’Antsiranana II ary ny maro hafa any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Kaominina tsy latsaky ny 26 mantsy no miankin-doha amin’ny tendrombohitr’i Ambre eo amin’ny resaka rano araka ny fantatra.
Ankoatr’izay, tsikaritra fa vokatry ny fandripahana atiala matevina sy mando ao amin’ny tendrombohitr’i Ambre dia mihamafy ny fiovaovan’ny toetrandro any Antsiranana sy ny manodidina. Ao amin’ny kaominina Joffre-Ville, ohatra, raha nahatratra 2° ny maripana ambany tao an-toerana taona vitsivitsy lasa izay dia eo anelanelan’ny 15° sy 18° izany ankehitriny.
Misintona ny lakolosy fanairana i Amido
Misintona ny lakolosy fanairana ny loholona, Amido manoloana izao toe-javatra izao. « Tsy mitsahatra mihena ny ala. Rava ireo harena voajanahary ao amin’ny tendrombohitr’i Ambre. Tsy ampy ny fandraisana andraikitra ataon’ny minisitera mpiahy araka ny fahitako manokana izao toe-javatra izao. Tsy tokony havela amin’ireny « Ong » ireny irery ny fiarovana ny valan-javaboary eto amintsika satria efa loza mihatra eto amin’ny firenena ny fandripahana ala sy ny voka-dratsy aterak’izany. Ao Antsiranana, ohatra, amin’ny 2 ora maraina efa milahatra ireo olona haka rano eny amin’ny toerana misy paompin-drano ireny ankehitriny noho ny tsy fahampian’ny rano. Efa mba tokony hisy vola amin’izay atokan’ny minisiteran’ny tontolo iainana ho fanampiana sy fiarovana ny valan-javabohary eto amintsika fa indrindra ny valan-javaboaharim-pirenena Ambre.
Lovam-pirenena ity farany », hoy ny fanazavana nomen’i Amido. Nomarihan’ity farany fa maherin’ ny 400 000 ny isan’ny mponina mivelona amin’ny rano avy ao amin’ny tendrombohitr’i Ambre.
Tsy ampy ny sazy
Miezaka manao ny asany ny mpitandro filaminana ny amin’ny fisamborana ireo olona manapaka hazo ao amin’ny tendrombohitr’i Ambre fa tsy ampy araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy ny sazy azony ka miverina manao izany asa ratsy izany foana. Tokony hovaina amin’izay ny lalàna ary hatao mafy ny sazy omena ireo izay tratra manapaka hazo anaty valan-javaboary na tsy nahazoana alalana. Na izany na tsy izany nambaran’ny loholona Amido fa misy tambajotra miaro sy miray tsikombakomba amin’ireo olona mandripaka ny atiala any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. « Ahoana no hanazavana ny fisian’ny toerana mpanamboatra fanaka amina « palissandre » sy hazo ala hafa tsy latsaky ny 50, ohatra, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Anivorano-Avaratra ? », hoy izy.
A.Lepêcheur