Webradio

TSY FANDRIAM-PAHALEMANA AO ANKAZOBE : Tsy mifidy sokajy ireo dahalo karohin’ny zandary

Anisan’ireo Distrika mbola anjakan’ny asan-dahalo sy ny halatr’omby ny Distrikan’Ankazobe iny.  6 décembre 2017

Mbola voafaritra ao anatin’ny faritra mena ity farany ary efa tsy avahana intsony fa na renim-pianakaviana aza dia mahavita midina ifotony manatanteraka fanafihana tanàna mihitsy.

Amin’izao fotoana izao, dahalo efatra mianadahy no karohin’ny mpitandro filaminana fatratra eny an-toerana. Miandahy, miambavy mihitsy izy ireo izay voalaza fa dahalo tena ikoizana amin’ny halatr’omby, vono olona miampy doro trano ao anatin’ity Distrika ity. Anisan’izany i Voahirana, ity farany dia vehivavy lehiben’ny dahalo any amin’ny tanànan’Antanatanana, Kaominin’Antakavana ao anatin’ny Distrikan’Ankazobe. Araka ny vaovao voaray dia anisany mandray anjara mivantana amin’ny fanafihana tanàna ny tenany, mangalatr’omby ary maro ireo andian-dahalo mpiara-miasa aminy. Anisan’ireo dahalo raindahiny namoahana didy fampisamborana ihany koa i Mahavelo ; monina ao Ankazomamoha ao anatin’ny Distrikan’i Fenoarivobe.

Torak’izany ihany koa i Charlot monina ao Beronono, Kaominin’i Tsaramasoandro ao anatin’ny Distrikan’Ankazobe ary i Rijabe mipetraka ao Antsahatanteraka, Kaominin’i Beronono  ao anatin’ny Distrikan’Anjozorobe. Amin’ny ankapobeny dia ireo dahalo ireo no tompon’andraikitra amin’ireo trangana halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana mahery vaika niseho tao anatin’ity Distrika ity. 

Mitovy hatrany ny asa ratsy ataon’izy ireo izay tsy vitan’ny mandroba fananan’olona fotsiny ihany fa mamono amin’ny fomba feno habibiana ihany koa. Mifindrafindra ireo dahalo ireo ary na any Fenoarivobe aza izy ireo dia tonga hatrany Ankazobe no manafika. Eo anatrehan’izany dia efa misy ny paikady napetraky ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena hifehezana io asan-dahalo amin’ny sisin-tany io. 

Efa miparitaka manerana ny biraon’ny zandary ny sarin’izy efatra mianadahy ireto mba hoentina hampahafantarana ny olon-drehetra ny asa fikarohana atao azy ireo.


Avotra Isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés