Voalaza fa nikasa hivalan-drano tamin’ny lavanila nihahy ny lehilahy ka nosakanan’ny vadin’ny Ben’ny tanàna ity farany. Tezitra anefa ny tovolahy ka avy hatrany dia norahonany io renim-pianakaviana io ary nitsoriaka niditra anaty trano ilay ramatoa. Niantso vonjy io ramatoa io ary izany no nanaitra ny manodidina, nandositra ny lehilahy rehefa nandre izany.
Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny vahoaka ary fotoana vitsy dia tonga teo an-toerana izy ireo ka niroso tamin’ny fanarahan-dia ny jiolahy. Tsy lavitra akory dia sarona ity farany ary rehefa nosavain’ireo mpitandro filaminana ny kitapony dia nahatratrarana basy vita gasy iray sy bala karazany maromaro ihany koa. Hatreto tsy fantatra ny nahatonga io tovolahy io nanao ny zavatra nataony ity ary ahiana ho marary saina ihany koa izy io. Taorian’ny famotorana nataon’ny Zandary ilay jiolahy tao an-toerana dia nafindra any amin’ny fonjan’Antalaha ity farany miandry ny fitsarana azy.
Pounie