Misy ireo milaza fa noho ny fivezivezen’ireo vahiny mividy lavanila no mahatonga ny tsy filaminana ao an-toerana. Vokany, niafara tamin’ny fanatanterahana fitsaram-bahoaka izany ny alin’ny alatsinainy lasa teo, ka jiolahy miisa efatra no maty namoy ny ainy avy hatrany. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia tao amin’ny tanànan’i Mahasoa Bemarivo ambony, Kaominina Amboangimbe no niseho ity fitsaram-bahoaka ity raha toa ka jiolahy miisa fito izy ireo no saika handrava lavanila tao amin’ny tokantrano iray.
Noho ny antso vonjy nataon’ireo voaroba tamin’io fotoana io dia nirohotra nivoaka ireo mponina niara-nisalahy ka nifandona tamin’ireo olon-dratsy ireo. Nahery vaika ny fifanjevoana tamin’izany ka maty noho ny ratra mafy ireo jiolahy efatra ireo. Ny telo ambiny kosa mbola tafaporitsaka nitsoaka ihany nanararaotra ny andro maizina. Nandritry ny fanadihadiana natao momba ity raharaha ity no nahafantarana fa olona avy any atsimon’i Madagasikara ireo mpandroba ireo. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana ny raharaha hatreto .
Tatianà R.