Webradio

ONIVERSITEN’I MAHAJANGA : Mpianatra miisa telo no tonga nanatrika ny « Codis »

Mpianatra miisa telo amin’ireo 16 nantsoina  hiakatra ‘conseil de discipline’ no tonga namaly ny antso sy nanatrika izany ny talata teo.  7 décembre 2017

Nizotra tsara ny fanadihadiana azy ireo mikasika ny zavatra niantsoana azy ireo. Ny marainan’ny alarobia kosa dia tsy nisy tonga koa ireo nantsoina. Araka ny voalazan’ireo “ray aman-drenin’ny mpianatra” dia izy ireo mihitsy no manakana ny zanak’izy ireo tsy hanatrika ny fiantsoan’ny oniversite io satria manahy ny hanimbana ny zanak’izy ireo.

Misy amin’ireo ray aman-dreny ireo anefa tsy manana zanaka nateraka tena mianatra ao tokoa fa ray aman-dreny ara-piaviana fotsiny. Nanazava koa moa ny mpikambana ao amin’ny ‘conseil de discipline’ fa ny fampiakarana mpianatra iray Codis dia tsy midika fa meloka izy na nanao hadisoana fa ahafahan’ireo  mpikambana mametraka fanontaniana sy mahazo valiny, ka araka ny valin-teny azo no andraisana fanapahan-kevitra momba ilay mpianatra. 

Ireo mpianatra tonga izany dia afaka niaro tena tsara fa ireo tsy tonga kosa dia  nandà ny sehatra ahafahany miaro tena. Fomba fanao maneran-tany amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana ny fampiharana ny fitsipika ifampifehezana amin’izay heverina ho nandika izany. Anisan’ny namotika io oniversiten’i Mahajanga io ny fitsabahana amin’ny fitantanana azy io sy ny fandrisihana ambadika ireo mpianatra noho ny antony maro, indrindra ny ara-politika. 

Hany ka mihevi-tena ho tsy matimanota izy ireo. Tsiahivina tokoa mantsy fa efa miisa telo ireo olona matin’ny fitsaram-bahoaka nataon’ireo mpianatra tato anatin’ny roa taona ary tsy nisy tohiny avokoa ireny tranga ireny.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés