Webradio

FANDRIAMPAHALEMANA : Miezaka mifanatona sy mifandray akaiky ny zandary sy ny vahoaka

Antoka iray mampandroso ny faritra, eny na ny firenena iray manontolo mihitsy aza, ny fisian’ny fandriampahalemana maharitra. Mba hahatongavana amin’izay dia nisy fivoriam-be izay natao tany amin’iny distrikan’Ambalavao iny. 7 décembre 2017

Fihaonana izay nandraisan’ny mpisehatra maromaro anjara, nahitana ireo mpitondra isan-tsokajiny any anivon’ny faritra sy distrika sy ny sisa hafa koa. Hevitra maro araka izany no nivoitra nandritra ny fifampiresahana izay natao tao amin’ny kaominina Ambinaniroa. Ireo kaomandin’ny vondrom-paritry ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa roa tonta kosa no nitarika ny fotoana. Ireto farany izay sady nanatanteraka fifamindram-pahefana. 

Tonga nanatrika izany fotoana izany ihany koa ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’Ambalavao ny Talata 05 desambra lasa teo. Hentitra ny fampahatsiahivana nataon’ny lehiben’ny zandary vaovao any amin’ny faritra Matsiatra Ambony fa sarotiny amin’ny fomba fiasan’ireo olona hapetraka hiaro ny vahoaka any ifotony ny kaomandy. Ny zandary mantsy dia tokony hanaraka ny rafitra sy ny lalàna mifehy azy ireo. Nohazavaina ny fanontaniana samihafa nipetraka nandritra ny fihaonana. Isan’izany ny lalàna tsy hahafahana mivarotra omby, indrindra ny omby vavy sy ny zanak’omby, eo ihany koa ny lalàna mahakasika ny fitsaram-bahoaka.

Hampahomby bebe kokoa ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana ny fifandraisana am-po eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Hatao ihany koa izay hanalana ny elanelana mahatonga ny tahotra tsy hanatonana ireo mpitandro filaminana. Niara-nanaiky ny rehetra araka izany fa samy tompon’andraikitra ny rehetra ka tokony samy handray ny andraikitra izay tandrify azy mba hamongorona ny ratsy. 

Ny fahavitsian’ny zandary sy ny tsy fahampiam-pitaovana ihany koa dia anisany mampananosarotra ny hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Nampanantena ireo manamboninahitra avy ao amin’ny zandariam-pirenena fa manohy ny fanadiovana anatiny efa natombok’izy ireo. Tetsy ankilany dia tsapa ho tonga maro tao amin’ity fivoriana ity ireo ben’ny tanàna any amin’ny distrikan’Ambalavao, ireo delegem-panjakana, ny mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mpiompy omby, indrindra ireo mpisehatra samihafa avy ao amin’ny renivohitry ny distrika. Mahakivy ny zava-misy amin’ny resaka tsy fandriampahalemana amin’izao, araka ny fanazavana. Tsy vitsy ireo efa miraviravy tanana tanteraka kanefa tokony haneho fahavonona hatrany. Indrindra taorian’izao fanomezan-toky avy tamin’ny zandarimariam- pirenena izao.   


Lucien R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés