Raha nanontaniana mahakasika ity farany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta dia valy bontana hatrany no nataony fa mila mahalala sy mamaky tsara izay voalazan’ny lalàm-panorenana.
Nandritra ny fihaonana isam-bolana fanaon’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana miaraka amin’ireo antoko politika sy fiarahamonim-pirenena dia nanindry mafy ny filohan’ny Céni ny amin’ny tokony hanondroana mazava ny datim-pifidianana. “Ilay fifidianana efa mazava fa tsy maintsy hitranga eo anelanelan’ny 25 novambra ka hatramin’ny 25 desambra 2018 ka maninona no tsy tononina ilay daty hoe oviana.
Lasa miteraka resabe ilay zavatra, resaka izay tsy mitondra antsika mandeha mankaiza ary lasa mifampiahiahy isika mianakavy. Zavatra madio, zavatra mangarahara ka tokony holazaina fotsiny ilay daty izay mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana dia mifantoka amin’izay daholo isika mianakavy”, hoy ny fanazavana hentitra noentin’ny filohan’ny Céni, Rakotomanana Hery. Ankoatr’izay dia nasiany teny mafy ihany koa fa ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena ihany no vahaolana tokana hialana amin’ny mety hisian’ny savorovoro sy ny korontana amin’ny fiatrehana ny fifidianana.
Nambarany fa vonona ny hanaja amin’ny antsakany sy andavany izay voarafitra ao anatin’ny lalàm-panorenana ity vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ity. “Ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery ihany no hialantsika ao anatin’izay mety ho savorovoro isan-tokony mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny Céni dia manaja ny lalàna izay misy, hanaja ny lalàmpanorenana ka na inona na inona zavatra horesahina ka tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny lalàmpanorenana dia tsy hanaraka izay zavatra izay mihitsy ny Céni”, hoy hatrany ny fanazavana noentiny.
Avotra Isaorana