Webradio

FANOMANANA NY FETY : Manodidina ny 8 tapitrisa Ariary ny fampindramam-bola tolotra omen’ ny bni

Ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao tokoa izao   ka betsaka ireo olona mila vola  hanomanana izany. 8 décembre 2017

Nanome tolotra ho an’ny mpanjifa araka izany  ny eo anivon’ ny banky bni Madagasikara ka miisa roa be izao no azo ataon’ireo mpanjifa dia ny  : tolotra Fety izay  natokana ho an’ireo mpiasam-panjakana izay ahafahana mindram-bola hatramin’ny valo tapitrisa ariary, manaraka izay ny fanomezana ny tolotra valisoa  natokana ho an’ireo mpiasam-panjakana efa misotro ronono. Marihana fa amin’izao fety izao ihany no ahitana ity tolotra fety ity  ka nohamafisin’ny tompon’ andraikitra fa ny  faha 31 janoary  2018 ho avy izao  vao hifarana ny tolotra.  

Ny tolotra valisoa kosa indray no  napetraka ho an’ireo mpiasam-panjakana efa misotro  ronono ka tsy hitsahatra intsony izy io. Izany no natao dia ny mba hanampiana azy ireo amin’ny fanamorana ny fandraisam-bola. Nambaran’izy ireo hatrany  fa  azo atao manomboka izao eny amin’ny ivon-toerana rehetra  manerana ny  Nosy ny  fampiasana  ny tolotra ka ao anatin’ny 24 volana be izao  ny famerenana tsikelikely ireo vola nalaina. 

Miezaka ireto farany   ny amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra omena mpanjifa, ohatra  velona amin’izany ny tombontsoa azon’ireo Beantitra izay  afaka mandray ny fisotroan-dronono  amin’ity  ivon-toerana  ity  sy eny amin’ny Mvola ihany koa.  Raha tsiahivina kely dia efa  misy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ity banky ity sy ny telma ka vao mainka manamora ny fahazahoan’ny mpanjifa ny volany amin’ny ora tsy voafetra izany.


Tatianà R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés