Antony maro no mahatonga izany, fa amin’ny ankapobeny dia ny tsy fisian’ny tolotra hahafahan’ny tanora miditra an-tsehatra amin’ny asa no tena antony. Eny fa na ireo manana diplaoma sy mari-pahaizana isan-karazany aza dia tsy vitsy no tojo izany olana izany amin’izao fotoana izao. Ny faran’ny herinandro lasa teo àry dia nanatanteraka fihaonam-be tao an-tampon-tanànan’Antsirabe ny mpikatroka eran’i Madagasikara, avy ao amin’ny ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny fiofanana arak’asa.
Fotoana izay nitokanana ny zava-bita sy ny trano vaovaon’ity ministera ity ao Antsirabe, fa ihany koa, « Rentrée solennelle » ho an’ny taom-pianarana 2017 – 2018, niarahana tamin’ireo solontena avy amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy.
Ankoatran’ny fifampizarana teo amin’ny lafiny kolontsaina sy ny zavakanto sy ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mendrika tao amin’ity sampana teknika sy ny fiofanana arak’asa ity dia tafiditra tao anatin’ny lahatenin’ny rehetra ny ezaka hifampizaràna manodidina ny tanora sy ny tontolon’ny asa. Anisany voatsindry manokana tamin’ny fifandimbiasam-pitenenana ny ezaka tokony hatao hahafahan’ny tanora mandraharaha ary miaina ao anatin’ny matihanina tanteraka amin’ny alalan’ny tohana avy amin’ny fanjakana foibe sy ny ministera manandrify izany.
Etsy ankilany dia voambara ihany koa fa anjaran’ny sampana teknika sy fiofanana arak’asa ny mijery ireo mpiara-miombon’antoka hahafahana manatsara ny fampianarana. Ary fijerena sy ny fifampiraharahana amin’ireo orinasa tsy miankina ihany koa dia tokony mbola anjaran’ity sampana ity mba tsy hahasahirana ireo tanora amin’ny fizarana asa na Stage ary amin’ny fitadiavana asa maharitra ihany koa.
Lucien R.