Webradio

MPAKA AN-KERINY : Telo mianadahy voasambotry ny zandary ny alakamisy lasa teo

Ny alakamisy tamin’ny telo ora hariva teo no voasambotry ny zandary teny Antanimalandy ireo olon-dratsy telo mianadahy efa nokarohina ela noho ny raharaha kidnapping.  11 décembre 2017

Nitetika ny haka olona an-keriny teto Mahajanga izy ireo no izao sarona izao. voalaza fa any Toamasina sy Antananarivo no fanaovan’izy ireo io asan-jiolahy io ary  karana matetika no lasibatra. Loharanom-baovao no nahafantarana ny fisian’izy ireo teto sy ny teti-dratsiny.

Mbola nahatratrarana vola vahiny maromaro tany amin’izy telo mianadahy ireo ary miaraka amin’ny fiara tsy mataho-dalana Nissan Navarra  izy ireo. Efa ela no nitadiavan’ny zandary ao Antananarivo azy ireto, izay ao anatin’ny tambajotra mihitsy ka izao vao nisy tratra. Tsy navela nalain’ny mpanao gazety sary moa izy ireo satria nambaran’ireo zandary fa mbola misy namany karohina ka ny fahitana ny sarin’izy ireo anaty gazety dia mety hampiporitsaka ny namany. 

Nentina any Antananarivo avy hatrany izy ireo vao tratra satria any ho hanaovana ny fanadihadiana sy famotorana rehetra mikasika azy ireo.


Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés