Webradio

MPANAO GAZETY SANDOKA : Nahazo fahafahana vonjimaika ny havan’ireo mpifoka rongony

Ny alatsinainy teo no natolotra ny fampanoavana ireo roalahy tratra nifoka rongony sy ny havany nisandoka ho mpanao gazety. 21 décembre 2017

Naiditra am-ponja vonjy maika izy telolahy tratra nifoka rongony ary nahazo fahafahana vonjy maika kosa ilay nisandoka ho mpanao gazety. Raha tsiahivina moa dia ny marainan’ny alahady no nisy niantso ny polisy fa misy andian-jatovo mifoka rongony teo Tsaramandroso ambany. Rehefa tonga ny  polisy dia tanora telo no hita teo, nandositra ny roa ary nifanenjehana ary tsy nihetsika kosa ny fahatelo.

Nilaza moa ny havan’ireo roalahy nandositra ireo fa nampiharana herisetra ny havany nandritra ny fisamborana ka haka sary azy ireo tao amin’ny tranomaizina nametrahan’ny polisy azy no nahatonga ilay havany nisandoka ho mpanao gazety. Tratra ihany anefa rehefa natao ny fanamarinana ka dia nanaraka ny havany tao an-tranomaizina koa ary niara-natolotra ny fampanoavana. Tsiahivina moa fa anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy eto Mahajanga ankehitriny ny fifohana jamala. Raran’ny lalàna ny fambolena, fivarotana ary fifohana azy io. 

Betsaka ireo tanora eny amin’ny fokontany no mifoka jamala ary manao asa fanendahana sy sinto-mahery avy eo. Efa mailo ny mponina izay tena leom-boananana ka raha vao mahita dia miantso avy hatrany ny mpitandro filaminana. Rehefa voasambotra anefa ireo tanora, indrindra ireo zaza tsy ampy taona manao asan-jiolahy dia misy hatrany ny lazaina fa olobe amin’ny tanàna manelanelana na manao tsindry amin’ny tompon’andraikitra hamoahana azy ireny. Tamin’ity indray mitoraka ity moa dia niafara tany am-ponja ny an’izy telo lahy ireto

Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés