Webradio

FAMATSIANA JIRO : Misesisesy ny fahatapahan’ ny herinaratra any Antsiranana

Efa toa tafiditra ao anatin’ny fahazarana ao anatin’ny andavanandron’ny mponina  ny fisian’ny fahatapahan-jiro aty Antsiranana satria tena nisesisesy loatra. Amin’izany dia mitsitapitapy ny fiverenany.  21 décembre 2017

Naharitra ora maromaro ny fahatapahana ary efa mampanontany tena ny maro izany raha sanatria hitohy. Efa akaiky fety indray no tsikaritra fa matetika loatra ny fahatapahan’ ny herinaratra, efa tsy lazaina koa ny amin’ny rano. Raha ny alatsinainy teo no asian-teny dia efa tsy voatanisa ny fahatapahana nisy ary ny mampimenomenona ny maro dia ny fisian’ny fahatapahana amin’ny alina ireny, amin’ny fanararaotana mety hataon’ireo jiolahy mpamaky trano. 

Amin’ny ankapobeny dia ny olana eo amin’ny tambajotra na koa olana ara-teknika ihany no fanazavana voaray eo anivon’ny jirama amin’ny fahatapahan-jiro tahaka izao. Matetika amin’ny fisian’ny orana dia voalaza fa tsy vitsy ireo andrin-jiro ahitana olana amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ka mahatonga ny fahatapahan-jiro, satria voatery tapahina ny herinaratra raha misy ny fanamboarana atao. 

Efa antitra ny ankamaroan’ireo fitaovana ampiasain’ny Jirama ka miverimberina hatrany ny olana. Fantatra fa hisy fiakarana ny vidin-jiro manomboka ny volana janoary 2018, nefa ny mpanjifa tsy mahazo fahafaham-po. Saika manerana ny Nosy ity olana misy eo anivon’ny orinasa Jirama ity. Lasa natao fampandriana adrisa amin’ny vahoaka ny fampanantenana poakaty lavareny mahakasika ny fanafoanana ny delestazy nefa mbola tsy nivaha hatramin’izao.

Mpanjono

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés